Hotel Marine
Avy amin'i MadaCamp
Ity hotely ity no tsara indrindra tete Diego. Lehilahy vazaha atao hoe Alphonse Mortages no tompony, ny vola nazony tamin'ny volamena hitany tao avakoera no nanamboarany azy. Izay no antony, niantsoina azy hoe "Hotel de Mine".
| | ||
Tamin'ny taona 1925 dia nalafo Tamin'ny Bankin'ny Madagasikara ary tamin'ny tafika Andranomasina frantsay. Hotel de la Marine no niantsoina azy tamin'izay, na Hotel Marine hoy ny mponin'Antsiranana. Tamin'ny 1975 dia lasa fananan'ny tafika Andranomasina malagasy ny hotely. Mbola afaka ny fandalovan'ny rivodoza kamisy. Ny fahatsiarovana no sisa tavela ankehitriny.
